<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny fasika amoron'ny rano
 Tsy tambo isaina, fa maro ;
 Ny kintana an-danitra koa
 Tsy azo isaina avokoa.

[V2]
 Ny otako toraka izany,
 Ny isany tsy hita lany ;
 Izaho nanary ny soa,
 Ka dia mahantra tokoa.

[V3]
 Indrisy, izaho nania,
 Ka very ny valim-pitia ;
 Ny foko tsy mety mangina,
 Fa maro ny heloka ahina.

[V4]
 Izaho maniry hahazo
 Ny lova izay tsy halazo ;
 Iriko ny ho tafafindra
 Ho amin'ny Avo indrindra.

[V5]
 Ry Jeso Mpamonjy Mahery,
 Variana aho fa very,
 Ka noho ny ranao madio,
 Ny heloko re mba ario !</lyrics>
<title>Ny fasika amoron'ny rano FFPM404</title>
<hymn_number>404</hymn_number>
<author>J. Klug</author>
</song>